Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Jaona 1.29-34
29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao! [*Na: mitondra] 30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. 31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano. 32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. 34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Jaona 1.29-34
Herin’ Andriamanitra mamonjy antsika i Jesoa
1-Mpamonjy araka ny filazan’ny Soratra masina
Tamin’ny fotoana nihaonan’i Jaona mpanao batisa tamin’i Jesoa dia notondroin’i Jaona Izy , mba ho fantatry ny mpianany koa: » Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao « . Zanakondrin’ Andriamanitra ? Sary roa no ambara amin’izany ao amin’ny Soratra masina : zanakondry nanaiky hijaly hamonjy ny olona (Isaia toko 52-53) sy ny zanakondrin’ny Paska (Eks 12) izay novonoina mba hahazoana manafaka sy mamonjy ny olona tamin’ny fanandevozana . Koa Mpamonjy voalazan’ny Soratra masina i Jesoa . Fantaro sy diniho ny Soratra masina dia ho fantatrao marina ny antom-pahatongavan’i Jesoa . Mahadiso hevitra antsika ny tsy fahalalana ny Soratra masina ary atahorana ho diso fandray an’i Jesoa koa isika raha tsy miezaka hahalala sy hamantatra ny Soratra masina .
2-Andriamanitra manatona sy miseho amin’ny olona
« Ary i Jaona nahita an’i Jesoa avy nanatona azy » (and29). I Jesoa nanatona an’i Jaona . Andriamanitra manatona nyn olona tokoa ny Andriamanintsika . Miavaka noho ny andriamanitry ny fivavahan-tsamihafa ny an’ny kristiana , fa tsy mba Andriamanitra tadiavina na karohina fa manatona sy manakaiky ny olona . Tsy mba Andriamanitra misonanina sy mitoetra any amin’ny toerana avo fotsiny Izy ; ka tsy maintsy mankany vao mihaona Aminy . Amin’izany fombany sy toetrany izany no hanehoany ny heriny sy ny fahefany ary ny maha-Izy Azy . Fantaro izany mba tsy hahadiso finoana anao ka hahazoanao miteny hoe: « Fantatro izay inoako »
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM