Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Isaia 9.1-6
1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Isaia 9.1-6
Manapaka hitondra fiadanana ny Tompo
1-Manapaka ny haizina Izy
Ny « maizina » voalaza eo amin’ny and 1 dia ilazan’Isaia ny fahorian’ Israely , vokatry ny hetraketraky ny Asyriana izay firenena mpanjakazaka tamin’iany . Lasan’ity firenena lozabe ity ny faritany maro , ary tamin’ny faritra sasany dia nandriaka ny rà noho ny ady , ka zary tany aloky ny fahafatesana .Mampanantena ny Tompo fa fiafarana izany , satria tsy maintsy ho avy ny mazava . Toky mitondra fanantenana ho antsika koa izany , na ho an’ny fiainantsika manokana . Asa voalohany nataon’ Andriamanitra ao amin’ny Gen 1.3 ny ady amin’ny haizina . Ny teniny no nitondra izany :« misia mazava, dia nisy mazava « . Resy ny haizina fa tafiditra ny mazava . Zazalahy , taranak’i Davida no hitondra izany (and5) .ho antsika dia i Jesoa io zaza io , sady teny tonga nofo rahateo Izy no fahazavan’izao tontolo izao . Izy no fanantenantsika hampahita antsika mazava lehibe .
2-Handresy ny mpampahory Izy
Milaza fitafiana sy fitaovana ary kojakoja manamarika ady niteraka rà mandriaka sy tsy fandriampahalemana ny and4 . Samy hodorana sy hofoanana ireo rehetra ireo . Hofoanana ny ady , hanjaka ny fiadanana sy ny fandriampahalemana noho ilay zaza Andrian’ny fiadanana. Hiorina ny fanjakany ary Andriamanitra irery ihany no hiankinan’ny fahatanterahan’izany (and6b). I Jesoa no hitondra izany ho antsika . Izy irery no fanantenantsika amin’izao fahavoazantsika izao .
Fanontaniana:
Ahoana no hahatanteraka ny hoe: « Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara, mba hanala ny haizina eto amintsika ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM