Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny  Tompo

Asan'ny Apostoly 20.17-21
17 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana** hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia] 18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany, 19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy, 20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano; 21 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika]

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo

Asan’ny Apostoly 20.17-21

Asehoy  ny hery entin’ny  Tompo  miasa 

1-Mahaiza  mandrindra sy mandamina  ny asa 

Maika  hamonjy  an’i Jerosalema  ny Apostoly  Paoly   hitondra ny rakitra   sy fanampiana  avy amin’ny fiangonana  tany Azia . Maika  izy  satria  nikasa  hamonjy  Pentekosta  any Jerosalema (vakio  and16). Tsy   afaka  nandalo  tany Efesosy  intsony  , araka ny fikasany  izy , noho  ny fahamehany  ka nampiantso  ny Loholona , rehefa  tonga  tao Mileto  (and17). Hain’i Paoly  ny nandamina ny asa , arakaraka ny zava-misy. Rehefa  nampanantsoiny  ny loholona dia tonga  tao aminy .Fahaiza-mandrindra sy mandamina izany . Hita  koa fa neken-teny  i Paoly  , noho ny amin’ny Tompo , ary  nanana  ny fahefan’ny Tompo izy .

Koa mahaiza  mandamina  sy mandrindra  ny asa sy fotoana , fa hahazoana  mitaratra  ny hery  entin’ny Tompo miasa izany . Mampiasa  antsika Izy  ka manome  antsika  hery  sy fahefana ho enti-mandrindra sy mandamina  ny asa isehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra . Asehoy   izany eo   amin’ny asam-piangonana sy ny asanao andavanandro.

2-Tsarovy  fa hery  tanterahina  amin’ny fahalemena izany 

Nananatra ireo loholona  , mpiara-miasa taminy  tao Efesosy  i Paoly  , ka nilaza  ny fomba entiny  mitory  Filazantsara  sy  manompo  (and19-20). Nasehony  fa nataony  tamin’ny fanetretena  sy tamin-dranomaso  izany  , satria be ny fakampanahy  sy ady atrehany  . Tsy làlana  mora , na tsotra  no izoran’ny mino  , fa ahitana   adin-tsaina  amam-panahy  , zava-manahirana  sy  ranomaso . Tamin’izany  no nahombiazan’i Paoly , satria  afaka  nampibebaka ny olona rehetra  izy . Tanterahin’ny Tompo  amin’ny fahalemena ny heriny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM