Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Romana 1.18-25
18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy, 19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy. 20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra] 21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. 24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; 25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Romana 1.18-25
Ambara eto ny fomba amam-panaon’ny jentilisa mpanompo sampy , kanefa tena ho antsika koa ny teny, sao takonantsika amin’ny fanao ratsy sy toetra tsy mendrika ny Tompo .
1-Atsaharo ny fanao ratsy amin’ny namana
“Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra » (and18). Filazam-potoana ankehitriny izany , izay toy ny milaza fa io fahatezerana io no miseho sy tazana ao amin’ny fiaraha-monina noho ny faharatsian-toetran’olona. Tsy marina ny olona sady manao ny tsy rariny amin’ny namany , ka tezitra Andriamanitra . Tsy tazana fa voarona sy takona Ilay Andriamanitra fitiavana noho ny asa ratsin’ny olona . Koa atsaharo ny fanao ratsy mba hiseho ny tena toetran’Ilay Andriamanitra mpanao ny tsara .
2-Omeo haja amam-boninahitra Andriamanitra
“Ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha- Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao » (and20)
Tsy afaka manakona ny Tompo tsy hiseho amin’ny maha- Izy azy anefa ny hadalan’ny olona , satria efa miharihary eo amin’ny asan’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany izany .Na dia miseho aza izany dia mbola tsy manome voninahitra ny Tompo ny olona fa manivaiva Azy, manompo sampy , manaram-po amin’ny hadalana. Koa zary fanamelohana no miandry izay toy izany sy izay manana fitondrantena adala. Ho antsika àry , aza manampy hadalana aamin’ny hadalana . Ny hadalantsika no nahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra , kanefa aza miroso amin’ny hadalana faharoa hanolo Azy ny sampy (vakio ny and 23), fa omeo haja amam-boninahitra ny Tompo.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba heverinao hanajana an’ Andriamanitra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM