Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
2 Tantara 9.3-8
3 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony 4 sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona ter? izy. 5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao. 6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga at?, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
2 Tantara 9.3-8
Ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra
1-Miseho ho hita ety ivelany
Ny trano izay nataon’i Solomona , ny hanim-pihinany teo amin’ny latabatra , ny fihetsika sy ny fitafian’ny mpanompony , ny ambaratongan-tohatra iakarana ho ao an-tranon’i Jehovah (and6). Ireny rehetra ireny dia nampiseho tamin’ilay mpanjakavavy fa tena manam-pahendrena mihoatra lavitra noho izay efa nambara taminy tokoa izy . Ny lesona ho antsika amin’izany dia izao : tokony ho hita taratra amin’ny fitondrantena asehontsika ny maha- kristiana antsika mba ho fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny fiteny , amin’ny fitafy , amin’ny sakafo fihinana , amin’ny fitondrantenan’ny ankohonana amin’ny fivavahana .
2-Mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra
Niaiky ny fahendrena nananan’i Solomona ilay mpanjakavavy ka nisaotra an’ Andriamanitra . Tsapany koa fa noho ny fitiavan’ Andriamanitra ny Israely no antony nametrahana an’i Solomona ho eo amin’ny seza fiandrianany , mba hikendry izay hahasambatra ny vahoaka entiny … » Noho ny fitiavan’ Andriamanitra an’Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana » (and 8b) . Misy antony ho fanasoavana ny hafa ireny fanomezam-pahasoavana omen’ny Tompo antsika ireny .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM