Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Jeremia 31.1-6
1 [Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome] 3 Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny] 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Jeremia 31.1-6
Fitiavana mandrakizay Andriamanitra
1-Ny fitiavany ny Israely
Hafatra ho an’ny Jiosy babo tany Babylona ity . Ambarany ny momba ny Israely hatramin’ny fanjakana avaratra ary Israely manontolo . Tiany ny fanjakana avaratra na Israely na i Efraima na i Samaria (and2,4,5). Omena fitsaharana sy filaminana izy ka tsy hisy ady ao aminy (and2) . Hanorina indray an’Israely efa rava i Jehovah ka hanome fihobiana sy fifaliana ao amin’ny taniny . Hambolena hatao tanimboaloboka indray ny tendrombohitr’i Samaria , ary noho ny fiadanana omeny , ny fitiavan’ Andriamanitra dia hanjary ho mahataona i Ziona izay toerana tokana fihaonany amin’Israely (and6). Mitoetra ho mandrakizay Andriamanitra ary tsy voafetran’ny fotoana sy ny toerana ny fitiavany ny olony .
2-Ny famindrampony amin’ Israely
Andriamanitry ny famindrampo ny Tompo . Mifamatotra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony . Manafoana ny tenany Andriamanitra ka manisy soa an’ Israely izay nanota sy niala taminy dia Israely virjina (and4). Mamindra foa amin’ny maditra sy ny mafy hatoka Izy . Mahary an’Israely ho vaovao i Jehovah. Manao fanarenana an’Israely manontolo ny Tompo: sitranina ny taniny , averina ho amin’ny fivavahan feno fifaliana sy fanompoana ny Israely . Manavao ny fanekeny mandrakizay ny Tompo ka ho Andriamanitray ny isam-pianakavian’ Israely (and1).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM