Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny  Tompo 

1 Jaona 4.7-11
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 9 Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 

1 Jaona 4.7-11

    Ny  mpino   miaina ny  fitiavan’ Andriamanitra 

Avy  amin’ Andriamanitra   ny fitiavana  . Izay miray  Aminy  no manana  fitiavana  ka ny  mpino  miaina ny fitiavan’ Andriamanitra  dia:

1-Mifankatia (and7-8.11 )

Teny  fanentanana  antsika  mpino   no ataon’ny  Apostoly  Jaona  eto  amin’ny  tokony hifankatiavantsika . Tsy  zavatra  ifanerena  izany   fa marika  hanehoana ny maha- zanak’ Andriamanitra  kanefa  tsy  manam-pitiavana ny hafa . Nantsoina  ho amin’ny fifankatiavana  ny  mpino  satria samy zanak’ Andriamanitra . Fitiavana  ifanaovana  na ifamaliana  izany   fa tsy   fitiavana  mandeha ila sanatria.

2-Mahafoy  ny sarobidy  indrindra (and10)

Ambaran’i Jaona  mazava  tsara  fa ny  fitiavan’ Andriamanitra  dia tsy tamin’ny teny fampanantenana  fotsiny  ihany  fa noporofoiny  tamin’ny alalan’ny asa  koa. Porofo  mivaingana  no nentin’ Andriamanitra  naneho ny fitiavany antsika   dia ny nanolorany    ny tokana  sy ny tsara  ary ny sarobidy  indrindra teo am-pelatànany  ho famonjena antsika . Tahaka  an’ Andriamanitra  izay  nanome  ny zanany   izay tia dia tia  amin’ny teny   sy  amin’ny asa  ka  manome   sy  mahafoy   ny sarobidy indrindra . Ny tena  fitiavana  dia tsy  mila tambiny  ary  tsy sandaina  ihany koa .

Fanontaniana 

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM