Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Novambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Isaia 43.1-5
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Isaia 43.1-5
Andriamanitra maneho fitiavana
1-Tamin’ny lasa (and1)
Ampahatsiahivin’ Andriamanitra eto ny fanehoam-pitiavana efa nataony tamin’ny lasa. Efa nanavotra Izy ka mbola hanavotra . Efa niantso sy nifidy Izy ka tsy mahafoy . Izany fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny lasa izany no tokony hitokiana satria tsy miova ny fitiavany .
2-Ankehitriny (and3-4)
Mariho fa na ny fanambara-tenan’ Andriamanitra izay milaza hoe: « Izaho no » na ny matoanteny izay milaza ny asa ataon’ Andriamanitra amin’ny hoe: »omeko » dia samy amin’ny filazam-potoana ankehitriny avokoa . Midika izany fa fanehoam-pitiavana mihatra avy hatrany amin’ny ankehitrinim-piainana no ambaran’ Andriamanitra eto.
3- Amin’ny ho avy (and2.5)
Mbola mampanantena ny haneho ny fitiavany hatrany Andriamanitra amin’ny ho avy rehetra . Izy no homba , Izy no hiaro , Izy no hitantana . Ny fitiavan’ Andriamanitra izay mitoetra mandrakizay amintsika no hahazoana miatrika sy mandresy ny sarotra rehatra , na izy efa niseho tamin’ny lasa izany na izay miseho ankehitriny sy izay hiseho amin’ny ho avy satria , hoy i Jesoa : »Indro Izaho momba anareo mandrakariva » . Koa Aza matahotra !
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM