Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
1 Jaona 3.1-6
1 [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] 2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. 4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] 6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
1 Jaona 3.1-6
Ireo porofom-pitiavan’ Andriamanitra
1-Niantsoany antsika ho zanany (and 1-2 )
Tonga zanak’ Andriamanitra isika noho ny fampihavanana nataon’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy ny finoana Azy. Tsy avy amintsika izany fa tena fitiavan’ Andriamanitra te-hanangana antsika ho zanany . Porofom-pitiavana no azo ilazana ny nantsoan’ Andriamanitra antsika ho zanany satria tonga mpiombona aina Aminy sy mpiray lova amin’i Jesoa zanany isika .Fitiavana azo antoka ihany koa satria toetra maha-Ray be fitiavana no entiny maneho ny fitiavany sy mifandray amintsika zanany .
2-Nanesorany ny otantsika
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM