Miandry ny  Tompo  ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Novambra 2017

Miandry ny  Tompo  ny vavolombelona mino 

Zefania 3.14-20
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina] 18 Hangoniko izay manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny] 19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra] 20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.

Miandry ny  Tompo  ny vavolombelona mino 

Zefania 3.14-20

Ho avy ny Mesia 

1-Hampody  ny fifaliana (and 14-17)

Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra  , dia aseho  kosa  fa hifarana sy hitsahatra  izany  ka ny fahavalo   sy ny loza  hisolo  fifaliana lehibe . Mitodika  amin’ny firenena  voafidy  ny fifaliana  tahaka  ny ao amin’ny Zakaria 9.11. Hiverina  amin’ny laoniny ireo  fombam-pivavahana  samihafa  , izay  tsy afaka  natao  fony babo  , nefa  loharanon’ny  fifaliana  sy ny fiderana an’ Andriamanitra . Omen’ Andriamanitra  fahafaham-po  mihitsy  izy ireo  , ka faly  sy ravoravo  amin’i Jehovah (Ampitahao Deo 30.9) . Mety  mihitsy  ny  mifaly   sy midera  an’ Andriamanitra amin’izao  fitsenana  ny fahatongavan’ny Noely izao .

2-Handray an-tànana ny vahoakany (and18-20)

I Zefania  dia niezaka   namaly  ny fanontaniana hoe:miraharaha  ny olona ve Andriamanitra ? Ambaran’i Jehovah mazava  fa : hangoniko  , hasiako  , hovonjeko , hovoriko , hataoko  , hitondrako ,hampodiako. Midika  izany  fa Izy Andriamanitra mivantana  mihitsy  no handray  an-tànana  ny fanarenana indray  ny fiainan’ny vahoaka babo . Hitondra fanafahana  tanteraka no hahatongavany . Tao  amin’i Jesoa Kristy  rahateo  no fahatanterahan’ny Lio 4.8 fa  « hitory  fandefasana  amin’ny mpifatotra  Izy  sy fampahiratana ny jamba , hanafaka izay nampahoriana » 

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM