Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Jakoba 5.7-11
7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Jakoba 5.7-11
Inenina miverina eto amin’ity Mofonaina ity ny teny iray tarika amin’ny hoe: « faharetana « . Toetra fototra takiana amin’ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo izany .
Ny kristiana maharitra
1-Maharitra amin’ny fanantenana (and 7-8)
Oharina amin’ny fiandrasan’ny mpiasa tany ny ranonorana ny fiandrasantsika ny fiavian’i Kristy . Ny mpiasa tany dia maharitra miandry amin’ny fanantenana ny ranonorana na ho ela na ho haingana izany . Azony antoka mantsy fa tsy maintsy ho avy io ary izany fanantenana izany no mafy orina ao anatiny . Tahaka izany koa isika kristiana , taomina hampiorina ny finoana amin’ny fanantenana ny fiavian’i Kristy na ho ela na ho haingana izany . Ka samy hampahery ny fony satria ao am-po no hiraketana izany finoana izany (Rom 10.10).
2-Maharitra amin’ny fahoriana (and9-11)
I Joba eto no ohatra alain-tahaka ny amin’izany fahoriana izany . Izy dia olona tsy nanan-tsiny ary na dia efa tao anaty fahoriana mangidy indrindra aza izy , dia tsy nanota (Joba 1.22 / 2.10). Koa toetra tokony hananantsika ny faharetana amin’ny fahoriana , fa misy valiny lehibe izany (and11) . Ny Soratra masina koa dia miteny hoe: « ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana » Rom 5.4 . Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa niaritra hatramin’ny farany mangidy indrindra izay niafara teny amin’ny hazo fijaliana.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM