Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Kolosiana 1.21-23
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Kolosiana 1.21-23
I Kristy no fampihavanana
1-Nandray antsika ho masina
« Ianareo olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy » dia midika fa nisaraka , tapaka , nisintaka ary nankahala an’ Andriamanitra noho ny fahotana ny olona . Midika ho fanovana na fanesorana hatramin’ny fakany ny hevitry ny fampihavana eto . Koa noho ny fahotana dia lavitra an’ Andriamanitra ny olombelona , fa noho ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana kosa dia ovana akaiky Azy isika . Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana amin’i Kristy ny mpino , ka manjary masina tahaka Azy (Efes 1.4).
2-Mampaharitra amin’ny finoana (and23)
Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon’i Kristy ihany no manam-pinoana sy maharitra amin’izany . Ny faharetana sy fiorenana ao amin’i Kristy ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3.11) no kitro ifaharan’ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany sy hanaovan’ny mpino ny asa fanompoana . Vokatra madiodion’ny fiovam-pon’ny mpino , araka izany ny asa fitoriana fa tsy haitraitra na filàna raharaha tsy akory . Ny fiainan’ny mpino mihitsy no miova ho vaovao (2 Ko 5.17) ka mibaiko azy amin’ny fitiavan’i Kristy ary mitarika azy ho amin’ny asa tsara samihafa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM