Ny olona manana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Mey 2021
MATIO 12.14-21
MATIO 12.14-21
14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. 15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; 16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, 17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; 19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; 20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).Ny olona manana ny Fanahy Masina
Hitantsika eto ny fihetsika nataon’i Jesoa Kristy manoloana ny fahavalo mitady hifofo ny ainy .
1-Mihevitra ny mahasoa ny hafa
Nitady ny fomba rehetra hiampangana an’i Jesoa ireo Fariseo rehefa tsy faly noho ny fihetsika nataon’ny mpianatra tamin’ny andro sabata (and2) . Sahy nanasitrana marary amin’ny andro sabata ve i Jesoa ? (and 9) . Nahariharin’i Jesoa fa Tompon’ny sabata Izy . Ao Aminy no tena fitsaharana . Ny hitondra fiainana sy fanafahana mahasoa ny hafa no zava-dehibe noho izany niasa ho famonjena ilay lehilahy maty tànana tao amin’ny Synagoga Izy . Ny olona manana ny Fanahy Masina dia mijery hatrany izay handraisan’ny manodidina azy ny famonjen’Andriamanitra .
2-Manolotra fiadanana
Rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tànana tao amin’ny Synagoga i Jesoa dia saika nisy ny fifandonana . Andaniny , ireo Fariseo mikasa hamono Azy . Tetsy ankilany kosa , nisy ireo vahoaka nitady hitazona Azy ho Mpanjakany, satria nihevitra ny vahaolana amin’ny olana teto an-tany . Manoloana izany rehetra izany dia tsy maintsy nandao azy ireo Izy, satria manimba ny iraka nanirahan’Andriamanitra Azy izany . Hitondra fiainana , famonjena , fiadanana no nahatongavany , noho izany nilaozany ny tabataba sy ny fifandirana (and19) . Niala i Jesoa mba hahafahany manatanteraka hatramin’ny farany ny famonjena izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Misy kristiana ve mbola tia ady lahy na fifandirana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM