Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Salamo  20.6-9
6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana. 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. 8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, 9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Salamo  20.6-9

Mialoha   sy aorian’ny ady  ataon’ny vahoaka  voafidy dia manandratra vavaka  izy ireo  . Ity Sal 20 ity  , ohatra   no fanao  alohan’ny ady  raha toa  ka ny Sal 21 no fisaorana  aorian’ny ady . Aseho   fa an’  Andriamanitra  ny ady  fa ny mpanjaka  dia mpitarika  ary ny vahoaka  no miaramilany .

Jehovah  no Mpamonjy  

1-Ho an’izay  matoky Azy 

Ny famonjena  ambara   amin’ity toko ity  dia fandresena  amin’ ny ady  amin’ny fahavalo . Ny mpanjaka  izay  misolo  tena  ny vahoaka  manontolo  no miantehitra  amin’i Jehovah . Ny fahefana rehetra  izay  misy  na ara-piaraha-monina na ara-politika dia samy  manaiky  fa tsy  noho   ny tanjaka  manokan’ny tena  na noho   ny traikefa amin’ny  ady  na ny fahaizana  ara-diplomatika  no  mitondra fandresena  fa ny  fatokiana an’ Andriamanitra  irery ihany  . Ataon’ Andriamanitra  miavaka  amin’ny manodidina  izay  matoky  Azy  . Miantso  ny mpitondra rehetra  hiantehatra  amin’ Andriamanitra .

2-Ho an’izay mangataka  Aminy 

Vavaka  no ifampiresahan’ny vahoaka  voafidy  amin’i Jehovah Mpamonjy  . Ny and 9 dia midika  koa hoe: »omeo  fandresena  ny mpanjaka, ka  mamalia  anay« . Ny  fifandraisana  tsy tapaka  amin’ Andriamanitra no antoky ny fandresena  . Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka  no hamaly   ka hitondra  fandresena  tsy ho  an’ny mpanjaka ihany  fa ho  an’ny vahoaka  iray  manontolo  mihitsy  . Latsaka  an-katerena  ny firenentsika  , andeha  isika  hitalaho  famonjena  amin’ Andriamanitra  Mpamonjy  antsika  izay manome fandresena .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM