Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Lioka 21.25-28
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary et? ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza] 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Lioka 21.25-28

Ary  amin’izany  andro izany  dia hahita ny Zanak’olona avy eo  amin’ny rahona amin-kery  sy Voninahitra lehibe izy » and27

Ny fiavin’ny Zanak’olona dia

1-Amin’ny  famantarana lehibe

Famantarana lehibe avy any an-danitra  no hiseho (and11) ary  i Matio  sy i Marka  no manazava  kokoa  fa ny masoandro  hohamaizinina ny volana  tsy  hahazava  ary ny kintana  hiraraka avy any an-danitra . Fanamafisana  ny efa  voalazan’ny  faminaniana  tany aloha tany  (Isa 13.9-10; Joe 2.10) , ary  ho tanteraka  araka  ny voalazan’ny fahitana  ao amin’ny Apo 6.12-13 . Fahariana vaovao  eo amin’ny tany sy ny lanitra no hiseho  amin’ny fiavian’i Kristy  eny  amin’ny rahon’ny lanitra  . Isika  mpino   ihany   koa   dia hiatrika  izany  fanavaozana lehibe izany .

2-Amin’ny hery sy ny Voninahitra lehibe

Ny rahona  no hisolo  ny kalesy  fitondran’ny mpanjaka (Sal 104.3). Maneho  ny fanatrehan’ Andriamanitra  ny vahoakany  ny rahona  tao  amin’ny Testamenta taloha. Amin-kery  sy voninahitra  lehibe  no hisehoan’i Kristy manoloana  izany rehetra  izany  , ka ny firenena  sy ny fokom-pirenena  rehetra  ambonin’ny tany   na ny  mino    na tsia  dia hiondrika  eo anatrehany  avokoa (Dan 7.13-14). Ho avy  Izy  hanavotra  ny olony sy hanarina ny tany  rava ary hametraka  ny fanjakany , satria  « ny fanjakan’izao  tontolo izao  dia efa  lasan’ny  Tompontsika  sy  ny Kristiny  , ary  Izy   no  hanaka  mandrakizay   mandrakizay » Apo 11.15

Fanontaniana:

Nahoana  ny olona  no matahotra ny fiavian’ny Tompo  ?

Birao  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM