Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Isaia 25.9-12
9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika. 10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra; 11 Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah* kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy] 12 Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Isaia 25.9-12
Ilay Andriamanitry ny fanantenana
1-Mitondra famonjena
Any am-pahababoana ny vahoakan’i Joda no ampanantenana fa ho avy ny Mpanjaka hanafaka azy ireo (23,24). Sary ilazana ireo fahavalo rehetra manodidina ihany i Moaba . Koa na dia manana manda sy fiarovana mafy sy avo aza ireny dia tsy hahajanona eo anatrehan’i Jehovah . Tsy fandresena ho an’ny vahoakan’ i Joda fotsiny , araka izany fa fandresen’ Andriamanitra mihitsy . « Raha Andriamanitra no momba antsika , iza no hahatohitra antsika ? »
2-Mitondra fifaliana
Tsy afa-misaraka amin’ny fahazoana Mpanjaka ny fety lehibe ombam-pifaliana (1 Sam 11.15; 1 Mp 1.25 ). Na dia ny babo aza dia ampanantenana fanasana lehibe ao an-tendrombohitra Ziona , hisotro divay efa niotrika ela, hihinana ny matavy , tsy hisy ranomaso , ho foana ny fahafatesana (and 6-8). Sarin’ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny Tompo no ambara eto . Endriky ny fahasoavan’ Andriamanitra atolotra ny mpino izay mahatoky sy marina ao Aminy ny fifaliana maharitra sy mandrakizay ary santarina dieny ankehitriny . Koa manàna fanantenana ary « aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika »
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM