Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 27.7-14
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho] 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. 14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 27.7-14
Niharan’ny fanenjehana ihany koa i Davida , mpanjaka sy voamarika amin’ny tononkira Salamo izany . Manoloana ny fanenjehana dia :
1-Mitadiava ny tavan’ Andriamanitra (and 7-10)
Ny tavan’ Andriamanitra dia hentitra ilazana ny fanatrehan’ Andriamanitra na maneho ihany koa ny maha- izy azy Azy an’ Andriamanitra . Koa ny fitadiavana ny tavany dia maneho fiombonam-piainana feno amin’ny Tompo. Na dia ireo sokajin’olona akaiky toy ny ray amandreny aza dia mety hiala, fa rehefa miombom-piainana Aminy kosa isika dia tsy handao mihitsy na hahafoy akory Izy .
2-Araho ny lalàn’ Andriamanitra
Ny fiverenana amin’ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany no làlana marina tokony hizoran’ny mpino manoloana ny fanenjehana . Ny Teniny mantsy no hamantarana ny sitrapony , ka ampandeferana ny sitrapon’ny tena . Tsarovy mandrakariva ny manontany ny sitrapon’ Andriamanitra araka ny Soratra masina rehefa tojo ady sarotra .
-Manantenà an’ Andriamanitra (and 13-14)
Ny fiandrasana an’ i Jehovah hamonjy amin’ny fahavalo (and 14) dia mifono fanantenana mandrakariva . Alefa mialoha eto ny fanantenana fa ho avy ny Tompo hiantsehatra , ka hamonjy amin’ny tànan’ny fahavalo . Ny fiandrasana ny fiavian’ny Mesia dia fanantenana lehibe ho an’ny mpino fa mitondra famonjena tokoa Izy . Ankehitriny dia mbola amin’ny fanantenana no hiandrasantsika azy ho avy amin’ny voninahitra lehibe rahatrizay .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM