Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Salamo 119.33-40
33 [HE] Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. 34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. 35 Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. 36 Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana. 37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho. 38 Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra*.[Tovy amin'ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao] 39 Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. 40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Salamo 119.33-40

Ny Salamo  119  dia maneho  ny fankalazan’ny  mpino ny Tenin’ Andriamanitra . Io Tenin’ Andriamanitra io rahateo  no maneho  ny fifandraisana  lalina  sy maharitra eo  amin’ Andriamanitra sy ny  mpino . Fifandraisana  roa lafy  no  hita  eto , ka misy  ny :

1-Anjaran’ Andriamanitra 

Ny tapany voalohany  isaky  ny andininy dia mitodika  hatrany amin’ Andriamanitra. Ambara  fa Andriamanitra  no Tompon’ny  Teny  . Koa mitodina Aminy ny mpanompony . Samy entina ilazana  io teny io  avokoa na didy  na lalàna na lalàn’ny didy na tenin’ny vavolombelona , na fitsipika . Manana anjara  amin’ny fifandraisan’ny  mpino  amin’ Andriamanitra ny  Soratra masina . Ny vavaka no hifandraisantsika Aminy fa ny Teniny  kosa no hitenenany amintsika . Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra masina hampitohy  hatrany  ny fifandraisana .

2-Anjaran’ny olombelona 

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM