Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Jaona 4.19-26
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Jaona 4.19-26
I Jesoa izay andrasana
Nitory tamin’ny vehivavy S amaritana iray i Jesoa . Niezaka nandresy lahatra Izy . Nambarany tamin’ity vehivavy ity ny marina :nampahafantatra i Jesoa fa :
1-Izy no tsy maintsy inoana (and21)
Maneke Ahy , matokia Ahy . Tarihin’ny Tompo ho amin’izany ity vehivavy miresaka Aminy ity . Ny mahazatra azy mantsy dia ny mivavaka amin’izay andriamanitra tsy fantany . Hitany ankehitriny Ilay Andriamanitra tokony inoana ka dia taomin’ny Tompo izy handray ny fanambarany , minoa ahy ,hoy i Jesoa . Anio no itaoman’ny Tompo antsika mba hino Azy sy ny fanamabarany . Atsaharo hatreo ny finoanoam-poana . Mampahafantatra ihany koa i Jesoa fa:
2-Andriamanitra irery ihany no ivavahana
Ny tena mpivavaka dia izay mivavaka amin’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy . Lamina efa napetrak’ Andriamanitra hatrany amin’ny andron’ny Testamenta Taloha izany . « Aza manana andriamaninkafa fa Izaho ihany « , hoy Izy (Eks20.3) . Misafidiana hivavaka amin’ Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ary aoka, hivavaka Aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana marin tokoa isika mandra-piavin’ny Tompo . Na iza na iza dia samy antsoin’i Jesoa hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinanan sy hino Azy ho ny Mpamonjy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM