Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 9.7-10
7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 9.7-10
Mendrika ny ho andrasana ny Tompo
Isan’ny boky mampahafantatra ny maha-izy azy an’ Andriamanitra ny bokin’ny Salamo . Izany rahateo no mahatonga ny mpanao salamo hanandratra fiderana an’ Andriamanitra . Mendrika ny ho andrasana ny Tompo satria :
1-Mpitsara Izy (and 7-8)
Marina sy mahitsy Andriamanitra . Amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana noho izany no tsy maintsy hitsarany ny firenena rehetra . Izay rehetra miandrandra ny fahamarinana sy ny hitsiny dia maharitra amin’ny fiandrasana ny Tompo . Izy no mpitsara marina .
2-Mpiaro Izy (and 9)
Ny raharaham-pitsarana rehetra dia ahitana mpitsara sy mpiaro . Tsy hitoetra ho mpitsara antsika fotsiny ny Tompo fa hitsangana ho mpiaro antsika ihany koa izy .Fialofan’ireo mahantra sy ozoim-pahoriana Izy . Izany no maha- zava-dehibe ny fiandrasana Azy mba hiaro antsika amin’ny fiampangana sy fanamelohan’i satana (Rom 8.33-34).
3-Mahatoky Izy (and10)
Noho ireo maha-izy Azy ireo dia azo tokisana ny Tompo . Miandany mandrakariva amin’izay mitady sy matoky ny famonjeny tokoa Izy. Andrandrao ny Tompo fa ho avy izy , ilay Mpitsara marina sady mpiaro azo antoka .
Fanontaniana:
BIrao Sekoly Alahady FOIBE FJKM