Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mika 7.7-10
7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy. 8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy. 9 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany. 10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mika 7.7-10
Miandrasa ny famonjen’ny Tompo
1-Mihaino ny fitarainan’ny mila vonjy Izy (and 7)
Eo amin’ny and 5-6 dia ambaran’ny Soratra masina amintsika fa na dia ny olona mifanakaiky sy mifamato-piainana indrindra aza dia tsy afaka mifampihaino intsony satria tsy misy ny fifampitokisana . Ny olona rahateo dia tsy mahavonjy tena ka izany no tsy maintsy hiandrasana ny famonjen’ Andriamanitra . Izy no hany afaka ny hihaino ny fitarainan’ny mila vonjy ka antony nanirahany ny zanany lahitokana hiara-monina amintsika. Miantoraha amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy fa mihaino ny fitaaaaraina’izay rehetra mila vonjy Aminy Izy .
2-Manarina ny lavo Izy (and8-9)