Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 37.1-8
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy. 8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 37.1-8
Vavolombelona miandry ny Tompo
Mahalasa eritreritra ihany ny mahita fa toa ambinina ny ratsy fanahy eto amin’izao fiainana izao . Tsy vitsy ny olona izay miezaka ny mandeha amin’ny fahamarinana no mila ho ketraka eo anatrehan’izany . Ho fampaherezana antsika indrindra ity Salamo ity .Vavolombelona miandry ny Tompo isika ka mijoroa hatrany amin’ny fahamarinana .
1-Andriamanitra ihany no aoka ho antok’izay hatao rehetra
Tarihin’ny mpanao Salamo isika mba hanao an’ Andriamanitra ho ivon’izay hetsika rehetra ataontsika .Taomina isika hatoky an’ Andriamanitra , hiravoravo Aminy , hanankina ny fiainantsika Aminy , hiandry ny famonjeny . Jesoa sy ny hazo fijaliany irery ihany no banjino mba hahafahantsika mifikitra amin’ny fahamarinana sy manao izany eo anivon’izao fiaraha-monina hanjakan’ny ratsy fanahy izao .
2-Hisy valiny tsara ny fijoroana amin’ny fahamarinana
Mandalo ny fahafinaretan’ny ratsy fanahy (and1-2). Hahazo valimpitia maharitra sy mateza kosa izay sahy mijoro amin’ny fahamarinana noho ny fatokiana an’ Andriamanitra . Honina amin’ny tany izy (and3b), henoin’ Andriamanitra ny fangatahany (and4). Andriamanitra no miasa eo amin’ny fiainany (and5-6) .
Fanontaniana:
11