Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Matio 6.1-15
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana] 2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, 4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. 5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. 9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. 15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Matio 6.1-15
Ny mpanara-dia ny Tompo
-Miasa mangina (and2-4)
Ampianarin’i Jesoa hanao asa fiantrana isika. Manao izany koa anefa dia ny tsy mpino aza. Saingy manao izany ho filan-dera sy filàna sitraka amin ‘ny olona izy ireny .Ny mifanohitra amin’izany kosa no ampianarin’ny Tompo antsika eto .Asa fiantrana atao amin’ny fitiavana sy ny fanetrentena ka tsy hisehosehoana na itadiavana sitraka amin’ny olona . Tsy miafina amin’ Andriamanitra ny asa soa ataontsika na dia hatao ao amin’ny mangingina sy lavitry ny mason’ny mpitazana aza.
2-Mivavaka mangina (and5-15)
Toy izany koa ny fomba fivavaka sy ny tonombavaka atao . Tsy ny fisehoana ivelany na ny halavan’ny tonombavaka hatao no ilazana fa tena mpivavaka marina isika. Ny vavaka atao amin’ny fanetrentena sy ny fahatsorana ary tsy miolakolaka no sitrak’ Andriamanitra . Ohatra tsara indrindra amin’izany ny vavaka nampianarin’ i Jesoa antsika . Asongadin’ny Tompo eto fa zava-dehibe ny fahavononana hamela heloka (and14-15) . Ny fahaizana mamela heloka no mahatsara ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona amintsika ary amin’ny tenantsika ihany koa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM