Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Eksodosy 19.9-25
9 [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. 10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: 11 ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. 12 Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; 13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. 14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. 16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. 17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy. 18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. 19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. 20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. 22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. 23 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. 24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy. 25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Eksodosy 19.9-25
Izay takiana amin’ny olona te-hihaona amin’ny Tompo
Fihaonana amin’Ilay Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka ny fihaonana amin’ Andriamanitra . Ho mari-panajana Azy dia takiana amin’izay te-hihaona Aminy ny :
1-Fahamasinana (and 10)
Fanokanana , fanavahana no hevitry ny teny fahamasinana . Navahan’ny Tompo tao anatin’ny maro ny mpino ka mila mitandro izany fanavahana azy izany mandrakariva mba hahazoany mifandray sy mihaona amin’ilay mpaniraka sy hahafahany mijoro ho vavolombelony rahateo.
2-Fahadiovana (and 14)
Azo raisina ara-bakiteny ho ny fahadiovana ny fitafiana ny fanirahana ny Zanak’ Israely hanasa ny fitafiany eto , mialoha ny fihaonana ami’ny Tompo . Fihaonan’ny Tompo sy mpanompo rahateo izao ka mari-panajana sy fanaovana fitafiana madio , kanefa koa dia azo lazaina fa fitaomana ny olona hananana ny fahadiovam-po sy fanahy mialoha ny fihaonana amin’ny Tompo (Mat 5.8).
3-Fanarahana toro-làlana
Misy toro-làlana sy fepetra maro samihafa omena ny Zanak’ Israely hahatomombana tsara ny fihaonana amin’ny Tompo (and12-13; 21-25). Ny fanarahana an-tsakany sy an-davany izany no mahalavorary ny fihaonana amin’izy Tompo . Jesoa no fahatanterahan’ny lalàna sy ny fepetra hahazoana manatona sy mihaona amin’Andriamanitra Ray .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM