Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Novambra 2017

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino

Romana  8.18-25
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino

Romana  8.18-25

Ny Voninahitra  omen’ny Tompo  ny mino  (and18)

Ho an’ Andriamanitra  irery ny Voninahitra . Tsy  azo lavina  izany . Ny Tompo  koa anefa   dia niteny   fa « izay manome voninahitra Ahy  no omeko voninahitra » (1 Samoela 2.30) . Ny voninahitra omen’ny Tompo  dia:

1-Voninahitra lehibe

« Tsy  tokony  oharina  no ilazana  ny fahalehibiazan’ny voninahitra atafin’ny  Tompo  izay rehetra  maharitra  amin’ny finoana Azy . Tsy  misy  azo ampitahaina  na ampitoviana  lanja   amin’izany  voninahitra  izany . Tsy  toy inona akory  ny vesatry   ny  fahoriana   iaretan’ny  mpino  raha oharina   amin’ny voninahitra omen’ny  Tompo azy . Ireo  Apostoly  dia sahy  nilaza  fa satroboninahitra tsy mety  lo no miandry  ireo  izay maharitra amin’ny finoana  ny Tompo  (1 Kor 9.25;Jak 1.12;1 Pet 5.4).

2-Voninahitra  aseho 

Hoy  ny voalaza  eto :« amin’ny voninahitra izay haseho  amintsika ». Ny mpino  dia sahy  hanehoan’ny Tompo  ny voninahiny  no fanehoan’ Andriamanitra  ny  Voninahiny  amin’ny hafa ihany  koa. Tsy  mba takona afenina  noho izany ny Voninahitr’ Andriamanitra fa asehony  amintsika izany , kanefa koa  dia asehony amin’ ny hafa amin’ny alalantsika rehefa manaiky  ho vavolombelony  marina tokoa isika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM