Miandry ny Tompo ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona marina
Lioka 2.36-38
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.Miandry ny Tompo ny vavolombelona marina
Lioka 2.36-38
Ny mino miandry ny Tompo
1-Mazoto amin’ny fanolorantena
Vehivavy mpitondrantena sy efa antitra i Ana mpaminanivavy , kanefa mbola nazoto nankeo an-kianjan’ny Tempoly sy tsy niala teo . Izany dia noho ny faniriany hahita ny Mpamonjy . Toy izay nataon’ity vehivavy ity dia tsy tokony hatao sakana amin’ny fanolorantena ny fahosana sy ny fahasahiranana . Mazotoa mivavaka sy mamonjy fiangonana ary mazotoa amin’ny fanolorantena mandra-piavin’ny Tompo Jesoa .
2- Manompo amin’ny fahononan-tena
3-Manambara ny amin’i Jesoa Kristy
Nahita ny Mesia i Ana ka nanambara tamin’ireo izay niandry fatratra ny fanavotan’ny Tompo . Fijoroana vavolombelona hanambara ny maha- Mpamonjy an’i Jesoa no tsy maintsy ataontsika mpino eo am-piandraana ny fiverenany indray .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM