Mahery vavaka  ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Oktobra 2017

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina 

2 Tesaloniana 3.1-5
1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo, 2 ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny* ratsy. [* Na: Ilay] 4 Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa. 5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina 

2 Tesaloniana 3.1-5

Mivavaka  ho an’ny Tenin’ Andriamanitra ny  mino 

1-Mivavaha ho  an’ny mpitory ny Filazantsara

Fangatahan’ny Apostoly Paoly  tamin’ny Fiangonana  kristiana  tany Tesalonika  ny hitondrana amam-bavaka azy sy ny namany  mba hahatanteraka ny fitoriana  ny Filazantsara . Vavaka  no hahatanteraka  ny asan’ny Tompo . Tsy  ampy  ny miasa  fotsiny  fa tsy maintsy   entina  am-bavaka ny asa . Ao   amin’ny vavaka dia miaro sy mampahery  ny fiangonany  ny Tompo  (and3). Fitaovana eo am-pelatànan’ny devoly  mandrakariva  ny ratsy  sy ny tsy mino  mba hamoretana sy handrahonany ny mpitory   ny Filazantsara  (jereo Asa 17.11,13). Fiadiana  eo am-pelatànan’ny mpino ny vavaka  handresena  ny fahavalo .

2-Mivavaha mba hahatratrarana ny zava-kendrena 

Maro ny sakana  ho amin’ny asa fampielezana  ny Vaovao  mahafaly  tao Tesalonika . Isan’ireny  ny fahamaroan’ny Jiosy mpanohitra  ny fivavahana  kristiana , ny fahadisoam-pinoana momba  ny fiavian’i Kristy tampoka sy haingana  ary  ny fisian’ireo  ratsy toetra  , izay  manimba  ny fiangonana (and6). Manana tanjona  tratrarina  ny  Apostoly amin’ny fitorian-teny  sy ny fitoriana  ny Filazantsara  . Ireto  avy ireo  tanjona   voalaza  ireo : mba hankalazana   eo  amin’ny Jentilisa ny Tenin’ Andriamanitra , mba hovonjena amin’ny  ratsy  fanahy  ny  Apostoly  , mba ho  amin’ny fitiavan’ Andriamanitra   ny fiangonana , mba hanana ny faharetan’i Kristy ny fiangonana