Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

2 Tantara 7.11-18
11 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany. 12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra. 13 Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, 14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. 15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity; 16 fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva. 17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, 18 dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

2 Tantara 7.11-18

Andriamanitra  mamaly vavaka

1-Andriamanitra  mifidy ny fitoerana masina

Mifidy toerana  fivavahana  ho  an’ny fireneny  sy ny vahoakany  Andriamanitra . Natao  ho  trano  fanateram-panatitra  ny trano  namboarin’i Solomona  sy ny vahoaka  manamboatra fa Izy  Andriamanitra no mitokana  sy manamasina  ary mametraka  ny antom-pisian’ny Tempoly  . Toerana  fivavahana  sy fihaonana amin’ Andriamanitra  , Ilay  tsy hita maso . Ao  no hanehoana  ny fanetrentena sy fibebahana sy fangatahana famelan-keloka  ary fanasitranana  ho an’ny olona sy  ny firenena (and14).

2-Andriamanitra  mihaino  sy mijery  ny  mpivavaka

Mijery  sy mihaino  izay atao  rehetra ao amin’ny  Tempoly ny  Tompo . An’ Andriamanitra ny Tempoly  , fanehoany  ny fisiany  sy ny fahamasinana ary ny fanatrehany  ny  vahoakany . Andriamanitra  iray  ao amin’ny Tempoly tokana  ho  an’ny firenena iray . Manaiky ho  eo amin’Israely amin’ny alalan’ny Tempoly Andriamanitra (and16) mba  ho fitahiana  ho an’Israely izay nofidiny .

3-Andriamanitra manao fanekena  amin’Israely

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM