Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Ezra 10.1-4
1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona. 2 Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany. 3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany. 4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Ezra 10.1-4

Fanadiovana ny  firenena

1-Mivavaka   sy mitsotra  amin’ Andriamanitra 

Mivavaka araka ny fanambaran’ny  Soratra masina i  Ezra mpisorona . Rehefa tafaverina  avy amin’ny fahababoana  avy tany Babylona  ny  Jiosy  dia nifangaro  be ny mponina  tany  Jerosalema . Maro  ny  mpisorona  sy ny lehilahy  no efa nanambady  hafa firenena , izay   mifanohitra  amin’ny lalàn’i Mosesy . Manarina  ny fireneny  ho Israely  vaovao  ny irak’ Andriamanitra , ka mampiverina  ny olona  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  sy ny fivavahana  ary ny fibebahana marina . Nodiovina sy nampifanarahana  tamin’ny Tenin’ Andriamanitra ny  fanambadiana . Izany  no nanampian’i Sekania  an’i Ezra  mba tsy  hiala  amin’ny marina : fisarahana  ny vady   hafa firenena (and2) .

2-Mampiombona ny vavaka 

Mampiverina  ho amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny vavaka . Niverina  nanao fanekena  tamin’ Andriamanitra  indray  ny  Joda (and3). Mampiray  ny firenena manontolo  ny amin’ Andriamanitra iray . Antsoina  ho matahotra  an’ Andriamanitra ny Jiosy  avy  amin’ny fahababoana dia ireo  mangovitra noho ny didin’ Andriamanitra (and3) . Fanitsiam-pivavahana mametraka ny Tenin’ Andriamanitra  ho ambony  noho ny hevitra sosialy  sy fiaraha-monina  no nataon’i Ezra . Tomponandraikitra voalohany  amin’ny fanatanterahana  ny  Tenin’ Andriamanitra ny mpisorona . Ho tahaka  izany  koa  ny mpitarika  eo  amin’ny fiangonana  ankehitriny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM