Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Oktobra 2017

                                       

Marka 11,20 - 24
20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy. 21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao. 22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra. 23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. 24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.

  

   Mahery vavaka  ny  vavolombelona marina                                     

     Marka 11.20-24

Ny vavaka  mahafindra tendrombohitra 

1-Vavaka amin’ny  finoana

Tsy  ny fahamainan’ilay  aviavy  no zava-dehibe  amin’i Jesoa  fa ny anjara   toeran’ny  finoana  ao  amin’ny  vavaka  . Asehon’i Jesoa  ihany  koa  ny fahefana  ananan’ny  mino  ka hanesorana  izay sakatsakana  sy ny tsy fahombiazana . Manàna finoana an’ Andriamanitra  , hoy i Jesoa  Kristy  (and 22). Esorina  ny fisalasalana  mba ho  tanteraka  izay  zavatra  lazaina  sy angatahina  amin’ny  Tompo  (and 23). Manambara  izany  fa ny  finoana no mampanan-kery  ny vavaka. Ny  finoana no hanatonana  an’i  Jesoa  ao amin’ny vavaka  , satria « raha tsy amin’ny finoana  dia tsy misy  azo atao  hahazoana sitraka  aminy » (Heb 11.6).

2-Vavaka mamaha olana 

Mampaka sy  mampamaha ny zana-boriky  i Jesoa (and2) ary  niditra  tao Jerosalema  amin’ny maha- Mesia Azy (and8) ka nodioviny ny tempoly  . Amin’ny fisehon’i Jesoa amin’ny maha- Mesia  Mpanjaka  sy Mpamonjy Azy dia miharihary  ny  heriny  sy ny fahefany . Ravan’i Jesoa izay sakana  rehetra  tsy hahatanteraka  ny famonjena . Tahaka ity aviavy  nozoniny fa tsy  nahitana  voany . Manome izany fahefana izany  ho  an’ny mpianany  sy ny  mpino  Azy  iJesoa  Kristy  . Manan-kery  avy  amin’ny Tompo  ny mpino  hanala  izay sakana  tsy hahatanteraka   ny  famonjena izao  tontolo  izao. Amin’ny alalan’ny vavaka  no hahafahantsika  manala  ny tendrombohitra  misakana ny famonjena .

Fanontaniana:

Inona avy  ireo  lazain’ny Tompo  fa tendrombohitra  tokony hafindra eo  amin’ny fiainantsika ?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM