Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Asan'ny Apostoly 4.23-31
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

Mahery vavaka ny vavolombelona marinaASA 4.23

Asan’ny Apostoly 4.23-31

Mampandresy  ny mpitory Filazantsara  i Jesoa 

1-Miaraha  manandratra vavaka  amin’i Jesoa 

Tsarovy ny Tenin’ Andriamanitra  rehefa mivavaka . Miorina amin’ny finoana ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy ny tantaran’ny famonjena ny herin’ny vavaka . Tehirizo amin’ny finoana sy ao am-po  ny Tenin’ Andriamanitra hahazoantsika mandresy  ny olona  sy ny ady atrehantsika .Mampitovy fijery  ny vavaka  noho ny  fampaherezan’ny  Fanahy Masina .Mampiteny  ny mpino ny Fanahy masina hatramin’ny taloha sy ankehitriny  ary ny ho avy (and25-28). mandresy  ny fandrahonana  ataon’ny fahavalo  ny fiombonana amin’ny vavaka  atao,’ny  mpino  . Mampahomby ny vavaka ataontsika ny fiombonana amin’ny anton’ny vavaka  sy ny zava-kendrena .

2-Miaraha miasa  amim-bavaka amin’i Jesoa 

Manana  tanjona  kendrena  iray  ny Apostoly  dia ny handraisan’ny olona  ny Filazantsara . Mangataka  fahasahiana sy fanomezam-pahasoavana  avy amin’ny Tompo  izy ireo  mba hahatanteraka  ny asa  ho an’ny famonjena ny Jiosy sy ny Jentilisa . Fanomezam-pahasoavana  telo  no angatahina eto : famantarana sy fahagagana , fametrahan-tànana hahasitrana amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy . Feno  ny Fanahy masina