Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Salamo 65.1-8
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao] 2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra. 3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. 4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao. 5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. 6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. 7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena. 8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Salamo 65.1-8
Fanefana ny voady amin’i Jehovah
1-Manatera fisaorana any Ziona
Zava-mihatra tamin’Israely ny faharavan’ny Tempoly sy ny fitsanganany indray. Nangina ny fiderana sy ny fivavahana tao. Ambara eto kosa fa tafaverina izany i Ziona tanàna masina . Isaorana sy ankalazaina ao Ziona ny Tompo , izay tompon’ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy avy sady manome fiononana ny Israely . Miasa Izy ary tsy takatry ny saina ny heviny . Anjarantsika ny misaotra sy midera Azy, fa tsara indrindra izany .
2-Sambatra izay antsoin’i Jehovah ho eo an-kianjany
Fahasambaran’ny mpino ny fiantsoan’ Andriamanitra hanatona Azy. Tsy misy mahay manatona ny Tompo raha tsy izy no miantso , eny fa na dia maniry izany aza. Ao no isehoan’ny Tompo amin’ny olony ka hamahany ny zava-tsoa sy ny zava-masina azy (and4). Ao no hamalian’Andriamanitra ny fivavaky ny mpino sy handrenesany ny feony . Sambatra izay mitoetra eo akaikin’ Andriamanitra .
3-Miasa tsy miato Andriamanitra
Ho valin’ny vavaka ataon’ny Tompo dia miasa Andriamanitra sady efa niasa sy mbola hiasa mandrakizay (and6-7). Mampangina ny herin’ny fahavalon’Isarely ny asany , sady maharaiki-tahotra azy ireny (and7-8). mamerina ho amin’ny fahatsaran’ny tendrombohitra sy ny fampanginana ny onjan-dranomasina ary ny tabataban’ny firenena fahavalon’Israely ny Tompo . Izany dia asan’ilay Mpahary izao tontolo izao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM