Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Matio 26.40-46
40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! 41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. 43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. 44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany. 45 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?] 46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Matio 26.40-46
Miary tory sy mivavaka
1-Miareta tory miaraka amin’i Jesoa Kristy
Maizina sy alin-kitroka ny tontolo misy an’i Jesoa Kristy sy ny mpianatra eto . Enjehina i Jesoa sy ireo mivavaka aminy . Kendrena hosamborina sy hovonoina ny Zanak’ Andriamanitra . Ao amin’izany tontolo izany i Jesoa Kristy no miteny : »miareta tory sy mivavaha » . Miareta tory mba hahafahana miatrika sy manohitra ny fahavalo amin’ny fivavahana fa tsy fahatairana.Miambena ihany koa mba tsy hitsangana ho mpiaro ny Tompo fa mba hanaiky harovan’ny Tompo manoloana ny fahavalo (Jao 18.10).
2-Mivavaha miaraka amin’i Jesoa
Mampianatra ny mpianany hiaina amin’ny tena vavaka i Jesoa Kristy . Maha-izy azy ny vavaka dia ny fanekena ny Tenin’i jesoa sy ny fiombonana Aminy , ny fanakatoavana ny sitrapon’ny Ray ary ny faharetana . Ady araka ny fanahy ny vavaka ary misy fe-potoana tratrarina ka atao mialohan’ny fahatongavan’ny fahavalo . Fiadiana iankinana amin’i Jesoa sy hiatrehana ny fahavalo ny vavaka (Efe6.18. Fiadiana ho fiarovana handresena ny fakampanahy ihany koa. Omen’i jesoa antsika ny vavaka mba handresena ny devoly sy ny miaramilany . Ho resy ny tahotra sy ny sitrapon’ny tena ary ny fitambesaran’ny nofo aminn’y alalan’ny vavaka . Mivavaha mandrakariva mba handositra antsika amin’ny fakampanahy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM