Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

2 Mpanjaka 4.32-37
32 Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. 33 Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. 34 Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy. 35 Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. 36 Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao. 37 Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

2 Mpanjaka 4.32-37

Vavaka , mamelona ny  maty 

1-Mamelona ny vavaka

Zanakalahy  tokan’ilay  mpivady  efa antitra nampiantrano  an’i Elisa mpaminany ity mpaminany  ity  ary fanomezana  avy amin’ Andriamanitra  (and17) . Dingana  roa ny famelomana  ny zazalahy : fametrahana  ny ehin’ny mpaminany  nentin’ny  mpanompony  , fa tsy nahomby (and31). Mino  ilay reny  mahantra  fa ilay lehilahin’ Andriamanitra no  hitondra  fahavelomana ho  an’ny zanany  satria  avy  amin’ny teny  nataony  nbo  nananany anaka . Miandry  ny vavaka ataon’ny fiangonana mpaminany  izao tontolo izao  tsy manana fanantenana . Tian’ny  Tompo isika  hamantatra  ny mahasoa  ny zanak’olombelona sy hitondra vaha-olana hahaveloman’ny olona  sy  ny  firenena .

2-Velomy ny fiainam-bavaka 

Mivavaha  ao  amin’ny mangingina « mirindrim-baravarana » (and4,33) . Ny vavaka  atao amin’ny mangingina  dia làlana  itondran’ny  Tompo  vaha-olana  eo  amin’ny fiainan’ny mpino   sy  ny fiangonana (Jereo  Mat 6.18;20.17; 2 Mp 19.14) . Mahita  ao  amin’ny miafina  sy ny fitoniana  ny Tompo  . Asa mangina  ny vavaka  fa tsy  fideraderana na itsofana  trompetra  mba  ho hitan’ny olona . Ny finoana  ny Tompo  ho mijery  sy mihaino  ao  amin’ny fahanginana  ary afaka  mamelona  izay efa maty  sy efa ho faty dia mahery. Arindrao  eo anatrehan’ny  Tompo isanandro  amin’ny vavaka  mitokana  ny fiainanao  sy ny ankohonanao  ary ny firenentsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM