Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Salamo 39, 6-13
1 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Salamo 39, 6-13
Ny fiainan’ny olona matoky an’Andriamanitra
1-Miorina amin’ny fanantenana an’Andriamanitra
Zava-poana ny fiainan’ny zanak’olombelona eto an-tany, araka ity Salamo 39 ity. Na ny fahavelomana, na ny fananan-karena na ny fitenenana dia tsy misy azo ianteherana ho famonjena na iray aza. i Jehovah Andriamanitra irery ihany no maha- olona ny olombelona ary antom-pisiana sy anton’ny fahavelomana. Manana fahasahiana hanatona ny Tompo ny mpino fa tsy miraviravy tànana manoloana ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin’ny alàlan’ny vavaka . Aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka. Aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana sy ny ratsy eto an-tany fa mivavaha ao amin’ny Tompo.
2- Mankato an’Andriamanitra
Miaina amin’ny fibebahana sy ny fanetren-tena ny mpanompon’Andriamanitra. Izy irery ihany no mamela heloka sy manafaka amin’ny fanenjehan’ny fahavalo (and 8). Manaiky ny fananarana ataon’Andriamanitra aminy ny mpanompony (and 10-11). Fitaizana mifanaraka amin’ny Teniny no ataon’Andriamanitra (Oh 29, 15 ; Heb. 12, 8 ; 2 Kor. 6, 9). Mety ho simba ny hatsaran-tarehin’ny olona (and 11), amin’ny famaizan’ny Tompo. Mangataha amin’ny fitarainana sy finoana ny Tompo, fa Izy ihany no manitsy ny vavaka ataontsika, na mety ho diso aza (and 12-13). Tsara ihany koa ny mangina eo anatrehan’ny Tompo fa fantany izay mahasoa antsika (Isaia 53:7; Matio 26: 63; Asa 8,32).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM