Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Mpanjaka 20.1-7
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona. 2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe: 3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. 4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja] 5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao. 6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko. 7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Mpanjaka 20.1-7
Manambara ny farany Andriamanitra
1-Manambara ny fahafatesana
Misy fiafarany ny fiainan’ny zanak’olombelona rehetra . Tao anatin’ny aretina mafy i Hezekia no nambaran’i Isaia mpaminany fa « ho faty ianao fa tsy ho velona » (and1). I Hezekia mpanjaka dia namongotra ny sampy tamin’i Joda ary nandeha mahitsy tahaka an’i Davida . Mama-piafarana amin’ny fahafatesana ny olona , na dia ny mpanjaka malaza amin’ny fanitsiam-pivavahana teo amin’i Joda aza (and 2,2 Mpanj 18.3-7) . Mampianatra ny Tompo , fa Izy no tompon’ny fotoana rehetra . Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa (Kol 4.5) . Mihatra amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana , eny fa na dia ho an’ny manao soa aza.
2-Manambara ny famelomana
Mamelona ny efa maty koa anefa ny Tompo . Mihaino ny fivavak’i Hezekia , izay nitahiry ny finoany an’i Jehovah Andriamaniny izy . Nohenoin’ i Jehovah ny fitarainany , nojereny ny ranomason’ny mpanjaka (and5). Tsy fahafatesana izany no anton’ny aretina fa fanehoana ny fahefan’ Andriamanitra sy ny famibdrampiny . Nataon’ny Tompo hankato azy koa ny mpaminany ka nanaiky ho irakiraka . Mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo ny fangatahana eto : »hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ny tenako sy Davida mpanompoko » . Katsaho ny sitrapon’ ny Tompo amin’ny vavaka atao , fa fanalahidin’ny valimbavaka izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM