Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Nehemia 1.4-11
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho; 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Nehemia 1.4-11
Mpitondra kapoaky ny mpanjaka no anjara raharahan’i Nehemia tany am-pahababoana . Mafy ny nanjo azy rehefa nandre vaovao momba ny Jiosy nody tany Jerosalema izy , ka ny hiantoraka tamin’ Andriamanitra no nataony : vavaka fitarainana , fiderana, fifonana ary fangatahana , famelana , fiverenana fampahatsiarovana ny heriny sy ny fahefany , faharesen-dahatra amin’ny famonjeny (and5-11). Ny fivavahana mendrika halain-tahaka izany .
1-Manana fiainam-bavaka mitohy
Voalaza eto fa andro maro no mivavaka sy mifady hanina i Nehemia. Tsy niala tamin’ny anjara raharahany velively izy raha nanao izany fa tena tao amin’ny andraikitra notanany izy sady nivavaka . Fangatahana mba hahazo famindrampo teo imason’ny mpanjaka Nehemia taorian’izao . Aoka mba handoso fitia eo anatrehan’ny Tompo sy ny olona isika noho ny fivavahantsika . Mety ary tokony hataontsika ny mivavaka tsy tapaka .
2-Mahatoky ny Tompo tanteraka
Nehemia dia feno fatokiana tanteraka araka izao vavaka nataony izao . Jesoa Tompontsika koa nametra-pitokisana tamintsika mba hanaovantsika ny asa vavolombelona hanambara Azy. Jereo ny manjo ny firenentsika ka andeha mba hivavaka , hifona ho an’ny Malagasy ka hangataka ny hanesorana azy amin’izao fahantrana lalina izao , fa Mpamonjy ny Andriamanintsika , tsy miova Izy ary mahita ny fiainantsika .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM