Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Korintiana 14.12-19
12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana* no tadiavo indrindra. [* Gr. eklesia] 13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. 15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho. 16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy. 17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; 19 nefa raha ao am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [* Gr. eklesia]Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Korintiana 14.12-19
Na dia nomen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samihafa aza ny kristiana eo amin’ny fiangonana dia nataony ho iray fanompoana , kanefa « raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra » (and 12). Ny fivavahana kristiana araka izany dia natao ho fampandrosoana .
1-Mivavaka hiombonan’ny olona rehetra isika
Ny fivavahana amin’ny fitenim-pirenena hafa dia tokony hisy mpandika teny raha hatao ho an’ny olona rehetra izany . Ny fifandraisantsika miorina avy amin’ny teniny ao anatin’ny Soratra masina . Aoka tsy hisy teny ivelan’ny Baiboly hanaovana toriteny na fampianarana ao am-piangonana araka izany, satria tsy mahasoa ny olona akory . Paoly Apostoly eto nanapa-kevitra fa »sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho » (and15).
2-Mitady ny teny ho an’ny saina sy fanahy isika
Ny Soratra masina irery ihany no misy ny teny ho an’ny saina sy fanahy . Nambaran’i Paoly tamin’i Timoty zanany hoe :« …soratra nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra , mahasoa …mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra , ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » (2 Tim 3.16-17). Koa raha mivavaka dia teny hahazoan’ny mihaino manao « Amena » , hoy izy eto , no tadiavina . Aoka omena fahalalana ara-tsoratra masina ny olona tarihintsika hivavaka , mba handray an’i Jesoa , teny tonga nofo ao am-pony . Olona resy lahatra ka mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy no afaka miara-mivavaka.
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM