Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Marka 7.7-11
7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). 8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona. 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! 10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Marka 7.7-11
Matetika no ahitantsika ato amin’ny Filazantsara fa tena saropiaro amin’ireo didin’ Andriamanitra i Jesoa . Manitsy indray ny fampiharan’ireto Fariseo ireto izany didy izany Izy eto . Ny fanomezan-danja ny fivavahana no asehony eto :
1-Tsy fampianaran’olona izany
Manafoana ny fampianaran’ny Tompo ny fibahan’ny fampianaran’olona . Rehefa hiatrika fanadinana any am-pianarana ny mpianatra dia matetika tsy mankany am-piangonana fa revo manao famerenana any an-tranony . Porofo izany fa mora mahafoy ny Fampianarana Soratra masina isika . Manakalo ny fotoana tokony hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra amin-javatra hafa isika . Tandremo fa tsy manome lanja ny fivavahana ny Tompo . « Raiso ny Tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy ».
2-Tsy misy fihatsarambelatsihy izany
Mihatsaravelatsihy amin’ Andriamanitra ny olona mahafoy ireo didy nomeny hotandremana tahaka ny hoe: « Manajà ny rainao sy ny reninao« . Eto dia nosoloany fampianarana voatolotry ny razana izany , hoy ny Tompo nefa fampianarana mifono hafetsifetsena , toa fanamarinan-tena ihany . Aoka hianatra mitandrina ny didin’ Andriamanitra araka ny Soratra masina isika fa tsy hifikitra amin’ny fampianaran’ olombelona. Ny Soratra masina irery ihany no tànantsika hampanan-danja ny fivavahantsika . Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo amin’izany .
Fanontaniana:
Vakio Kolosiana 2.8-15 hampahery antsika
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM