Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Mpanjaka 9.1-5
1 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao, 2 dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. 3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. 4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, 5 dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Mpanjaka 9.1-5
Fotoana voalazan’ny mpandinika fa telo ambin’ny folo taorian’ny nitokanana ny Tempoly no nahazoan’i Solomona izao valimbavaka izao . Andriamanitra mihaino vavaka tokoa ny Tompo ary manana fomba hanehoany izany amin’izay mahatoky Azy Izy . Raisintsika koa eto izany ny valin’ny vavaka marina :
1-Handraisana ny fahamasinan’ny Tompo (and3)
« Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity« . Vavaka marina tokoa ny manome Voninahitra an’ Andriamanitra sy ny mitondra fifonana eo anatrehany fa izany no hanamasinany ny asa atao. Mety tokoa ny manorin-trano ho fanomezam-boninahitra ny Tompo sady ho fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka fa tsy fitokiana amin’ireo mpitaiza na mpanandro . Fa mamaly vavaka tokoa ny toy izany ny Tompo tahaka ny hitantsika eto . Izy no miaro ny mpanompony mandra-pahavitan’ny asa . Azo antoka ny teny nomeny . Koa manàna finoana hanaovana asa ho Voninahitry ny Tompo .
2-Hahazoana fampanantenana vaovao (and 4-5)
« …hampitoeriko mandrakizay … ». Fikasan’ny Tompo ho an’ny mpanompony rehetra ny hampitoetra azy mandrakizay raha mihaino sy mankato ny Teniny ireo . Jesoa Kristy no nanamafy izany raha niteny hoe: »izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat 24.13). Izany hoe : tokony handeha mandrakariva amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana omen’ny Tompo isika ary hijoro ho vavolombelony fa mahery vavaka ny mino Azy ka miharihary ny valin’ny vavaka natao .
Fanontaniana:
Tantarao fohy hy valimbavaka azonao .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM