Mahery  vavaka ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Oktobra 2017

Mahery  vavaka ny vavolombelona marina 

Joda 1,17 - 23
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
Mahery  vavaka ny vavolombelona marina 

Joda 17. and 23

Taratasy  misy fananarana  ny fiangonana  sy ny kristiana  tsirairay  ao  aminy   ity  . Tsy ankasitrahan’ny  Tompo  ny hanaovantsika  ny fanaon’izao  tontolo  izao  . Fa efa  vita  ny famonjena  nataon’i Jesoa  Kristy  ho antsika teo  amin’ny hazo fijaliana  ka aoka  hatao  ny fivavahana   ao  amin’ny Fanahy Masina .

1-Mahatahiry  ny fitiavan’ Andriamanitra 

« Fa hianareo  kosa , ry malala dia ataovy izay  handrosoanareo  amin’ny finoana  masina  indrindra « 

(and 20a)

Rehefa  mahatsiaro  ny hafatry  ny Tompo   isika  ka mahatandrina  ireo didiny  dia  manatanteraka  ny firosoana  amin’ny finoana  izany . Fa lehibe  ny fitiavan’ Andriamanitra  antsika  ka nanomezany an’i Jesoa Kristy  ho Mpamonjy antsika . Izy  no naniraka  ny Fanahy Masina hitarika antsika hivavaka mandrakariva . Aoka handeha araka  ny Fanahy isika ka tsy hisakaiza  intsony amin’izao  tontolo izao    . Ny Fanahy masina nomeny no nampidinany  ny fitiavany ao am-pontsika (Rom 5.5).

2- Mahafaka ny sasany kosa 

« Ary amindrao  fo ny sasany kosa  » (and 22) .Isika mahatsapa  ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy ho antsika ho vavolombelon’ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina . Araka izany dia mandidy antsika mba hitondra ny famonjeny  ho an’ny hafa koa Izy . Maro  ny fanomezam-pahasoavana  nomeny  antsika ho entina  manatanteraka  izany  . Koa aoka  hazoto  sy handeha  amin’ny fitiavana  izay nitiavan’i Kristy  antsika isika rehetra nametrahany  izao teny izao  .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM