Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Filemona 1,8 - 21
8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho, 9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra] 10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa] 11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho; 12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko; 13 saiky nohazoniko tat? amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara; 14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo. 15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy. 18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; 19 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao. 20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy. 21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Filemona 8.21

Mitarika  ny saina  handinika  ny fifandraisana  amin’ny Tompo  izao  miseho  zao  . Nandevozin’ny fahotana  isika  ka rehefa  afa-nandositra  tao  dia noraisiny  sy novolavolainy  tsy ho andevo  fa tena zanaka  . Ny fifamatoram-piainana amin’ny Tompo  no mivoitra eto .

1-Manafaka  amin’ny faharatsiana 

« Eny miangavy  aminao  aho  ny amin’ny zanako » (and10) . Ny fangatahan’i  Paoly  tamin’i Filemona  dia mitovy   endrika  amin’ny fangatahan’i Jesoa teo  amin’ Andriamanitra  Ray  (Jaona 17) . Ny mba  handraisana  ilay efa nania  mba hiara-miasa  ka ho tena  zanaka  mahasoa . Jesoa Kristy  tokoa  no miangavy  mba hahazoantsika  fitoerana  miaraka Aminy  . Tahaka  ny nanafahan’i Paoly an’i Onesimosy tamin’ny maha-andevo  azy  no fanafahan’i Jesoa Kristy  antsika ankehitriny . Aoka  ho mendrika  izany   isika  ka hiala  amin’ny ratsy  sady  hazoto  hanao  ny tsara .

2-Manolo  toerana antsika 

« Koa  raha ataonao  ho namanao  aho  , dia raiso  toa ahy  izy » (and17). Zava-dehibe amin’ny olona nitondra fanamiana ny olona nampiany  . Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy  ka tsy mahafoy  antsika  olona novonjeny .Eny  , ny Rany  mihitsy   no nomeny hisoloana antsika teo  amin’ny hazo fijaliana . Tonga olona afaka isika ary mbola tiany hiray toerana Aminy amin’ny fandovana ny fanjakan’ Andriamanitra . Mirosoa àry ho vita fihavanana Aminy  isika  ka hanana  ny fifamatoram-piainana amin’ Andriamanitra isanandro  . Izany no fivavahana  marina  eo anatrehany  .

Fanontaniana:

Ahoana  ny fahatsapanao  ny fisoloana  sy   ny fanafahan’i Jesoa Kristy   anao  teo  amin’ny hazo fijaliana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM