Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

1 Samoela 1.19-28
19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. 20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)] 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra] 25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza. 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah. 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

1 Samoela 1.19-28

1-Mihevitra fanomezana ho an’ny Tompo

« Ary nifoha  maraina koa izy ireo  ka nivavaka  teo anatrehan’i Jehovah » (and19). Hana  dia vehivavy  naharitra nitondra ny alahelony  teo anatrehan’ Andriamanitra noho izy tsy niteraka  sady nenjehin’ny rafivaviny  (and6). Nivavaka  tamin’ny fo madio  izy  ary tsy mba zanaka  ho mpandova no notadiaviny  fa zanaka hatolotra  ho an’ny Tompo  . Mpivady  miara-mivavaka  maraina no mendrika tahafintsika eto . Aoka  hanome  ny zanantsika ho an’ny Tompo isika fa tsy   ho  nanao fanekena  foana  tamin’ny nanaovam-batisa azy ireny . Mazava  fa manome zanaka  na dia ho an’ny momba  aza Andriamanitra .

2-Manefa  ny voadiny amin’ny Tompo 

« Koa atolotro  ho an’i Jehovah kosa izy » (and28). Miharihary  ny herin’ny vavaka  nataon’izy mivady  . Mifampidinika  izy  amin’ny fanefana ny voady  natao  ka hita soritra eto  ny fifanarahan-tsaina ao  amin’izy ireo  sy ny fifankatiavany . Tsy tokony  hanimba  velively  ny fifandraisan’ny mpivady  araka izany  ny fahamombany  . Fa vao mainka  aza mafy  orina  tahaka  izao nataon’i Elkana  sy Hana izao  . Isika koa  , aoka hihevitra fanomezana ho an’ny Tompo  dia ny  fanolorantena  madio  ka manatanteraka izay voady natao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM