Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Nomery 15.37-41
37 [Ny amin'ny hanaovana somotraviavy amin'ny sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 38 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny. 39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, 40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo. 41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Nomery 15.37-41
Ny maha- vahoakan’Andriamanitra
1-Manaraka ny toromarika omena azy
Mba hampiavaka ny Zanak’ Israely amin’ireo firenena hafa manodidina azy dia misy toromarika manokana mahakasika ny fitafiana asain’ Andriamanitra hotanterahina eto . Ny faneken’ny zanak’ Israely hanatanteraka izany dia maneho fa matoky sy mankato ny didin’ Andriamanitra izy ireo sady afaka mijoro ho vavolombelon’ny fifidianan’ Andriamanitra azy amin’ny firenena hafa manodidina . Tsarovy fa raha manaiky hitafy ny fitafiana mampiavaka ny Zanak’ Andriamanitra isika dia afaka hijoro ho vavolombelony eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika .
2-Manokan-tena ho an’ Andriamanitra
Fitafiana miavaka no asaina hanaovan’ny Zanak’ Israely . Fanehoana ny maha- vahoakan’ Andriamanitra azy ireo izany nefa koa fanehoana fa manokana ny tenany , ny fiainany ho an’ Andriamanitra izy ireo . Tsarovy àry fa ny vahoakan’ Andriamanitra dia tokony haneho eo amin’ny manodidina azy fa »masina » ho an’ Andriamanitra ka tsy hanao fitafiana mifanohitra amin’izany . Mitafy an’i Jesoa Kristy ka mifanaraka amin’izany ny fisehony eto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM