Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
1 Korintiana 4.14-21
14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. 15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara. 16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo. 17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako] 18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho. 19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny. 20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. 21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
1 Korintiana 4.14-21
Ilay mpanompo alaina tahaka
Asehon’i Paoly eto ny fifandraisana manokana eo aminy sy ny kristiana tao Korinto mba hahafahany mananatra sy manitsy azy ireo.
1-Mitaona olona ho an’i Jesoa Kristy
Asa fanompoana miavaka no niantsoan’ Andriamanitra an’i Paoly Apostoly . Mitory ny Filazantsara any amin’ny Jentilisa , mitaona olona ho an’i Jesoa Kristy . Asehony eto fa mety ho maro ireo olona tonga nitory ny Filazantsara tamin’ireo kristiana tao korinto fa miavaka kosa i Paoly. Izy no manambara voalohany ny Filazantsara ho azy ireo . Zava-dehibe tamin’i Paoly ny hahatonga azy ireo ho Zanak’ Andriamanitra , miaina ny famonjen’i Kristy . Ny olona mitory marina ny Filazantsara dia tsy menatra milaza sy maneho ny asa fanompoana notanterahiny .
2-Maneho fitondrantena miavaka
Rehefa nandray ny Filazantsara ny olona dia tokony hiova mifanaraka amin’izany ny fiainany . Tsy araka izany anefa ny fiainan’ny kristiana sasantsany tao Korinto . Manoloana izany dia mitaona ny kristiana tao Korinto haka tahaka ny fitondrantena mendrika ny maha- kristiana izay aseho i Paoly Apostoly . Ny mpino miaina ny Filazantsara dia maneho tokoa fitondrantena miavaka ho fianarana ho an’ny hafa . Mijoro ho vavolombelon’ Ilay Mpamonjy azy amin’ny sehatra rehetra misy azy amin’ny fitondrantena mampiavaka ny Zanak’ Andriamanitra .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM