Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo 

1 Timoty 4.13-16
13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

1 Timoty 4.13-16

Ny olom-boafidy

1-Manatanteraka  tsara  ny andraikitra  nifidianana  azy 

Asa  fanompoana  manokana  no nifidianan’ny  Tompo  an’i Timoty  :ho  mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra , hitory  sy hampianatra ny Tenin’ Andriamanitra . Ny fanatanterahany  izany dia maneho   fa mitoetra   ho mahatoky  amin’ny andraikitra nifidianan’ny Tompo  azy izy .Sarotra ny andraikitra apetraka aminy  kanefa  takiana  mba hananana fandavantena , finiavana , faharetana izy . Mitaona antsika  koa izany  . Aoka  hataontsika tsara  ny asa fanompoana  amin’izay  nifidianan’ny  Tompo  antsika .

2-Mizara  famonjena  ho  an’ny hafa 

Ampahatsiahivina eto  fa rehefa manatanteraka tsara ny asa fanompoana nifidianana azy i Timoty dia tsapan’ny olona  ny fandrosoany . Fandrosoana amin’ny finoana  sy ny fitiavana an’i Jesoa Kristy Ilay nifidy azy .Tsy   mampianatra  na mitory  ny Tenin’ Andriamanitra fotsiny mantsy izy fa mandray izany koa ho fitondrana ny fiainany . Mitoetra ao amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy  izy  amin’izany .Ireo izay mifanerasera aminy koa dia dia ho resy lahatra handray ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy  amin’ny hafa ny mpino  miaina  amin’ny Tenin’ Andriamanitra toriny sy ampianariny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM