Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo 

Daniela 3.13-18
13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. 14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako? 15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany? 16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. 17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. 18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Daniela 3.13-18

Manana fahasahiana  hijoro ho vavolombelona 

1-Rehefa  fantatrao  ny hery  sy fahefan’ny Tompo

Eo amin’ny and 17 i Daniela  sy ny namany  roa lahy  dia natoky  fatratra fa ny Andriamanitra izay tompoiny dia mahavonjy  sady  hamonjy  . Famonjena  ankehitriny  sy amin’ny ho avy izany  . Tena fantatr’izy  ireo ny herin’Ilay Andriamanitra tompoiny . Fantany  izay inoany  , fa ianao kosa mba ahoana? Sa  ataontsika  tsianjery haingom-pitenenana  na angolateny  ihany ny maha-  Mpamonjy  Azy  sy ny nanomezana  Azy  ny fahefana rehetra any an-danitra  sy ety an-tany ? Manàna fahasahiana mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo  rehefa fantatrao  sy itokianao  ny hery sy fahefany .

2-Rehefa  hentitra  sy mafy ny finoanao

Nolavin’izy telo mirahalahy  ankitsirano  ny didin’ny mpanjaka Nebokadnezara , araka ny hita  eo amin’ny and 18. Sahy mijoro  hatramin’ny farany izy ireo  , satria manana  finoana  mafy orina  sy hentitra . Hainy  ny mampitaha  ny herin’Ilay tompoiny  sy ny andriamani-tsy izy . Mifanaretsaka sy mifanjevo ny fampianarana samihafa sy ny filazana ny herin’ ny andriamanitra tompoin’ny isan-tokony  ankehitriny . Ilaina ny finoana hentitra sy matotra . Ny finoana dia avy amin’ny teny toriana  na teny henoina . « Finoana  avy amin’ny fihainoana », ary fihainoana ny Tenin’ny Tompo . Aza atao latsa-danja ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra ary itokio  izany  dia  ho hentitra sy ho mafy orina ny finoanao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM