Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny  Tompo 

Jaona 15.26-27
26 Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16] 27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo 

Jaona 15.26-27

Afaka mijoro  ho vavolombelona isika

1-Noho ny mpanampy  sy mpiaro 

Aza adinoina  fa mifampitohy  amin’ny andininy izay  milaza  fanenjehana sy fankahalana  eo  alohany  ity eto  amin’ny and 26 ity . Ahoana  no hijoroana ho vavolombelon’ny  Tompo eo anoloan’ny fanakahalana ? Na dia i Jesoa aza nankahalaina , mba  hanao ahoana isika? Hahazaka izany ve ny mpino   , ka ho  sahy  hijoro  ho vavolombelona ? Afaka mijoro ho vavolombelona isika  noho  ny Fanahy masina  na ny mpananatra  . Ny mpananatra  dia manana hevitra  hoe : mpiaro   , sady  tonga mpanampy sy manohana  amin’ny ady  mafy  sy fanenjehana  . Izany   no mahatonga antsika ho sahy  na dia  ankahalaina aza . Tonga vavolombelona manam-pahasahiana isika  noho ny herin’ny Fanahy masina izay mpanampy  sy mpiaro  amin’ny loza  sy fanenjehana .

2-Noho  ny Fanahin’ny fahamarinana

Ny  Fanahin’ny fahamarinana araka ny anarany dia hahazoana  manakatra  ny asany  sy ny fomba fiasany . Mampahatsiaro  ny teny fahamarinana nambaran’ny Tompo Izy  , ka tonga manamafy  orina ny finoana . Rehefa  mafy orina  ny finoana  dia tsy matahotra sady  tsy menatra ny hijoro  ho vavolombelon’ny Tompo ny mpanara-dia Azy, na dia etsy  ankilany aza ny fanenjehana sy ny nifankahalana . Raiso  ny Fanahy  ary ekeo hitarika antsika sy hiasa manankery  eo  amintsika  dia afaka  mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo  mandrakariva  isika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM