Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 12 Septambra 2017
Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo
Salamo 92.1-4
1 [Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, 2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, 3 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga. 4 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Salamo 92.1-4
Vavolombelon’ny fahalehibiazan’ny Tompo isika
1-Ambarao amin’ny fotoana rehetra ny heriny
Salamo fiderana sy fankalazana ity faha-92 ity . Saika mandrakariva dia fanao ao amin’ny Tempoly izany , amin’ny fanompoampivavahana iombonana na amin’ny vavaka manokana ataon’ny mpino mahatsapa ny famonjen’ny Tompo . Ny herin’ Andriamanitra sy ny fahalehibiazany no ambara sy lazaina amin’izany . Mihoatra noho izany anefa eto , fa na amin’ny maraina na amin’ny alina dia tokony ho tsapantsika izany ka ambara ny heriny (and2). Tsy hotsarovana an-tsaina ihany izany fa ambara sy lazaina ary toriana amin’ny hafa .
2-Lazao sy ambarao ny asam-pamonjena nataony
Tsy ny toetran’ Andriamanitra ,na ny fahatsarany sy ny heriny mbamin’ny fahalehibiazany ihany no tokony holazaina , fa ny asa nataony koa. Mahafaly ny asan’ny Tompo , satria asam-pamonjena sy fanavotana izany : « ampifalianao amin’ny nataonao aho Jehovah ô! .Ny asan’ny tànanao no hihobiako »(and4) rehefa tojo ny zava-tsarotra isika dia adinontsika ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika . Aza refesina na afatra amin’izay zava-mitranga indray andro na amin’ny fotoana fohy ny asam-pamonjena sy ny fitiavan’ Andriamanitra antsika hatrizay . Ny fahoriana sy fahasahiranana vetivety dia tsy tokony hanadinoana ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao . Koa lazao mandrakariva ny asa nataony .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM