Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Septambra 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompo 

Asan'ny Apostoly  26.12-18
12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] 17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Asan’ny Apostoly  26.12-18

« Mitsangana  ka mijoroa  amin’ny tongotrao  » (and16)

1-Mialà  amin’ny endri-pahafatesana 

« Mitsangàna!… » (and16a) . Teny mibaiko  fahita   ao amin’ny Soratra masina  sy fandrentsika  amin’ny fanirahana mpaminany  izany  . Teny teo am-bavan’ny  mpaminany izany  . Teny   teo  am-bavan’i Jesoa rehefa manasitrana  sy manangana ny maty (Mat  9.25; Mar 5.41) ka io fialana amin’ny fahafatesana io   no  hevitry ny hoe: mitsangana . Koa izay manam-piniavana hijoro ho vavolombelona dia tsy maintsy ho olona vonona sy manam-piniavana hiala amin’ny endri-pahafatesana rehetra , na olona nesorina  tao amin’ny maizina  sy ny fahafatesana  ho amin’ny mazava  sy ny fiainana  (zahao  and 18). Tsy izay tsy mahafoy  ny toetra ratsy  fanaony  na tamana  amin’ny fomba amam-panao  mifanohitra amin’ny maha-fiangonana sy maha-kristiana  no afaka hijoro  ho vavolombelon’ny  Tompo , fa olona  tena  mibebaka .

2-Aza  mety  hahilangilan’ny hevitra samihafa 

« Mijoroa amin’ny tongotrao » . Fomba  fiteny  itaomana ny olona hiatrika adidy izany . Ny hevitra eto  dia mizotra amin’ny hoe: Aza mety havily na ahilangilan’ny foto-kevitra samihafa . Ny Apostoly Paoly dia mpivavaka Jiosy  mafana fo . Rehefa asain’ny  Tompo « mijoro  amin’ny tongotra »dia taomina  hanadino  izany hevitra  sy foto-kevitra samihafa izany . Isika koa  , raha tena hijoro  ho vavolombelona  dia aza mety  hahilangilan’ny fampianarana isankarazany  fa mijoroa  amin’ny tongotrao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM